Manoratra aho satria, nomena talenta
Na toa aza tsotsotra tsy tena avo lenta
Toy ny an’ireo mpanoratra malaza be fahiny
Dia tia manoratra aho fa aza omena tsiny
Manoratra aho satria, mamelona ny teny
Io no tenin-drazako, no sady tenin-dreny
Tsy tiako ho vonoina, tsy tiako ho vofafa
Ilay teny malagasy ambony noho ny hafa
Manoratra aho satria, misy zavatra ambara
Io asa soratro io tiako hipetraka ho tantara
Aingam-panahy tsotra, tsy sarotra takarina
Milaza zava-misy, miteny zava-marina
Manoratra aho satria, ny soratra mitoetra
Io « redirediko » io, natao ho an’ny rehetra
Mety mampahery, na koa mitaraina
Tsy natao handratra fa kosa hampisaina
Rasamy