Gasikarako

Gasikarako

Kanto loatra ianao ry taniko
Tsy atakaloko na oviana
Tena tiako sady mamiko
Satria tany nihaviana

Na tsara aza ny any ampita
Mandroso sy manan-karena
Eto aho no hiezaka ho tafita 
Ho sambatra an-tanin-tena 

Nitsangatsangana aho no tany
Nianatra sy niasa koa
Kanefa vetivety ihany
Niverina nitodi-doha

Eto mantsy no anjarako 
Teto no niandohako
Tohizako eto ny tantarako  
Eto koa no hiafarako

Rasamy

Laisser un commentaire