Tantara no hitsara

Tantara no hitsara

Na inona na inona zava-bitanao
na maro koa na vitsy ny zavatra natao
dia tsarovy foana
fa na ahoana na ahoana
dia tsy maintsy misy olona tsy faly amin’izany
Izay mihitsy mantsy ilay fiainana an-tany
Misy ny mpanohana dia misy mpanakiana
Misy foana olona tsy mahita fifaliana
Toa satriny aza indrisy
ny vitanao tsy hisy
Ny zavatra iriny 
dia tsy hahomby akory iny tanjonao iny
Mankarary azy ny mijery sy mahita
Tsy metimety aminy ilay ianao  tafita 
Mety ho olo-maro na olom-bitsy ireny
Ianao tsy voatery hamaly sy hiteny
Tohizo sy hamafiso izay efa nokinasa 
Tanteraho hatrany f’aza ajanona ny asa
Ataovy amin’ny fo
sy am-pitiavana tokoa
fa tsy sanatria atao filàna deradera
na propagandy miampy « werawera »
Hifantohy ny asa sao ianao hianjera
Ny asa vita ihany mantsy no hanambara
Any aoriana any ny tantara no hitsara

Rasamy

Laisser un commentaire