Vao tonga ny maraina
dia efa reraka ny saina
Satria vao miditra birao
dia inona hoy ianao?
Tapaka ny jiro tsy misy azo atao
Dia toy izany foana isan’andro izao
Leo tena leo amin’ny delesitazy
(LBP mihitsy SNBV)
Ny mpitondra mifanesy no tsy mahavita azy
dia ny vahoaka no mijaly sy voasazy
Aiza ve leiretsy ka tsisy fanavahana
fa na toeram-piasana na toeram-pivavahana
na toeram-pianarana na toeram-pitsaboana
na toerana fonenana na bara fisotroana
na toeram-pilanonana misy mariazy
dia mikaikaika noho ny delesitazy
Lasa mitotongana ny seham-pihariana
Mikorontana ny fiainan’ny fianakaviana
Simba ny sakafo sy fitaovan-tsarobidy
Ity Jiramaty ‘ty mampitondra ny mangidy
Ry mpitondra ambony ô, manaova fahagagana
Efa any aminareo anie izao ny fahefana e
Ianareo nilokaloka fa hitondra fiovana
Tanteraho malaky re ny fampanantenana e
Rasamy