Mahaiza mitraka

Mahaiza mitraka

Rehefa nodimandry ny olona akaiky
lasana nandao nantsoin’i Ray Ambony 
dia mandà ny saina toa tsy te hanaiky 
nefa izay no lahatra, tsisy azo atao intsony 

Mafy sy mafaitra ny fisarahana an-tany 
nefa izay no anjarany, atao ahoana moa
Tsy maintsy malahelo, tsy maintsy mitomany 
fa kosa aoka hahay hampionona ny fo

Ny fo raha malahelo diso tafahoatra 
dia misy fiantraikany amy fahasalamana 
Izy efa maty nantsoina ho any ankoatra 
sanatria ianao koa hanaraka tsy tana

Raha mitranga izany, mainka koa hangidy
ny vesatra mahazo ireo izay mbola miaina
Koa mahaiza re mitraka, ataovy ho sarobidy
ilay ianao salama ary koa matanja-tsaina

Rasamy

Laisser un commentaire