Miiba tafahoatra

Miiba tafahoatra

Raha ny zavatra fahita ety anaty fesiboky
dia isan’andro ianao mandrezatra fa voky
Voky resabe sy zavatra tsy tsara
manaratsy endrika an’i Madagasikara
Tsy mba mahafinaritra fa zary mahasorena
ka na ny seraseran’ny mpitondra firenena,
na ny an’ny mpanohitra tsy tia fanjakana, 
dia mifampivazavaza tsy misy fanajana. 
Ny sary mahatsiravina dia hita ao daholo
Mampihorin-koditra sy mampintsangam-bolo  
Na halatra na lainga na koa fifamonoana
Voavetaveta hatramin’ny resaka finoana

Ity fesiboky ity tokony hahatonga saina
fa raha isan’andro, na hariva na maraina
no hizara sy hamaky zava-dratsy toy izany
dia tsy mahagaga raha mihamahantra ihany 
Mahantra ara-bola, ara-tsaina sy am-panahy 
Tsy miaina am-pitoniana fa feno ahiahy 
Takona ny miabo fa ny miiba tafahoatra
Hany ka dia nofy ilay hoavy mba hivoatra 
Mainka manalavitra ary ilay fandrosoana 
Miaraka mihosina ao anaty habadoana  
Ny ankizy moa variana manao fesiboky  
dia adinony tanteraka ny famakiana boky 

Rasamy

Laisser un commentaire