Olo-mendrika

Olo-mendrika

Ny olona iray rehefa tsy alehany
dia izao no fandehany
Manilika andraikitra foana amin’ny hafa
ary tsy mba menatra na mihafahafa
milaza sy miteny fa izy dia somparana
Matetika izy ireny tsy dia nandia fianarana
Tsisy mba voafehiny izay zavatra lazainy
Tsy mahataka-davitra loatra moa ny sainy
Hany ka tsy vitany ny famahàna olana
ka na mihodina ny taona, ny andro sy ny volana
vitsy no tanteraka amin’ny zavatra lazainy 
fa zary nofinofy izay nampanantenainy

Fa ny olona iray rehefa tena alehany
dia izao no fandehany
Ny hanatratra tanjona tsara no katsahiny
Voafehiny tsara izay zavatra resahiny
Tsy manilika amin’ny hafa raha misy fahadisoana
Tsy miteniteny foana na sarotra toroana
Tsy manao kolikoly hampitombo ny fananany 
Mahafehy tsara ny fahefana an-tanany 
Tsy mandany andro amin’ny zava-tsisy dikany
Fa miasa be mangina ary be ny zava-bitany
Tsy mila deradera fa miasa min’ny fo
Ny olona ohatr’izany no mendrika ho Filoha

Rasamy

Laisser un commentaire