Reraka ny aiko
Vizana ny saiko
Izao no alehany rehefa ny vola no mibaiko
Kanefa anie ilay vola rehefa tena isaiko
dia tsy hahavitako akory izay rehetraretra ilaiko e
Kanefa,…
Asa efa nekena koa tsy maintsy hovitaiko
Ny mafy izay lalovana tsy maintsy hoe zakaiko
Ny sarotra noho izao aza moa efa nosedraiko
Ilay saina miabo foana no tohizako lalaiko
Ny saina mila ho kivy esoriko sy ovaiko
Dia vazo mampahery izao no tokony hiraiko
Rasamy