Na inona na inona zavatra efa haiko
Tsy maintsy misy foana tsy takatry ny saiko
Tsisy mahalala izay hahataperan’ny aiko
Manaiky aho fa Ianao no mandahatra ry Raiko
Na miezaka aza aho manao zavatra mba tsara
Na tsy hitsahatra aho hanome sy hizara
Manaiky foana aho fa n’inona n’inona ambara
Dia Ianao no manendry ny lahatra sy anjara
Matoa aho toy izao fa tsy nandao ny tany
Mbola niheren-doza, ka velona eto ihany
Dia manaiky aho fa sitrakao izany
Misaotra Anao ry Raiko any an-danitra any
Rasamy