Halatra miharihary

Halatra miharihary

Halatra miharihary 

Miharihary ny halatra, tsisy fiafarany
Tena miompampana tsisy toy izany
Mahazo fahefana dia maka izay tiany
Nefa dia izany no nenjehina fahiny

Tsisy henatra intsony fa maka tsy miera
Mihinana izay laniny tsy mitaveravera
Miseho mibaribary fa tsy mba honohono
Alainy hatramin’ny vola fisotroan-dronono

Miliara marobe no efa very hatram’izay
Ny vola fanampiana misy tsy hita sy tsy hay
Valaka ny saina hoe fa dia nahoana loatra 
Izao kosa ve  tsy efa tokony hampitroatra?

Kanefa ny vahoaka  hitroatra ho aiza moa
Ny hanina hohaniny no hamakiany loha
Mampalahelo loatra ny manjo ny firenena 
Potiky ny halatra sy ny fitiavan-tena

Rasamy

Laisser un commentaire