Tsy misy olombelona ka hoe tonga lafatra
Tsisy ho kianina fa feno fahendrena
Koa asakasakao mitompo teny fatratra
Manenjika isan’andro izay misy fahalemena
N’iza n’iza mantsy ka mbola eto an-tany
Tsy maintsy misy lesoka sy kilema koa
Mety mba solafaka sy diso izy androany
Fa rahampitso hiarina sy hiova fo
Koa aza tia mitsara ny fiainan’olon-kafa
Ny fiainanao no ataovy milamina sy tsara
Ny azy ho vita ihany, ary izy mety ho tafa
Ianao indray no menatra rehefa any afara
Rasamy