Raha ny vava izay nataony
sy ny henjika fanaony
no nataoko tao am-po
dia lazaiko anao tokoa
fa efa ela aho no nivarina
Angamba lavo tsy tafarina.
Soa ihany aho fa niady
ka n’inona n’inona nianjady
dia tsy nianjera tamy tany
fa nijoro foana hatrany
Nisy tanjona kendrena
Tsy nitsaha-nanantena
Noho ny ezaka natao
no mampijoro ahy toy izao
Tsy lafatra mihitsy akory
fa kosa tsy isan’ireo ory
ampijalian’ny fahantrana
na dia tsy anaty fanjakana
Eny ataoko fahasambarako
izay valin-kasasarako
ka na firy sisa andro iainako
dia tsy miova ny fisainako
Tsy hialona ny namako
fa ifaliako izay ananako
Rasamy