Manomeza fitafiana

Manomeza fitafiana

Mangatsiaka ny andro
tsy maraina tsy atoandro
fa dia mamirifiry
Nefa ny akanjony tsy dia misy firy
Manify dia manify
Hany azony atao dia mitampifipify
eo ambanin’ny tonelina
Tsisy na dia mofo kely mba atelina
Mafy ilay mahantra e
Manantena ny hafa ho tonga mba hihantra 
Mijaly dia mijaly
Fa ianao kosa raha mbola afaka mifaly
tsy dia misy mahaory
Anaty bodofotsy no mahita tory
Mbola misy trano isitrihana ny loha
Mbola misy asa azo antenaina koa
Dia ampio re izy f’efa  mitaraina
Izao mangatsiaka izao tena mila avotr’aina 
Manomeza lamba, ampio ny fitafiany
f’izay no hanamaivana an’izato fijaliany

Rediredin-dRasamy

Laisser un commentaire