Io fivavahana io

Io fivavahana io

Io fivavahana io dia mahagaga loatra
fa tokony hampiray sady hampivoatra
Kanefa indraindray dia mampisara-bazana
Mahavalalanina ny olona mpitazana

Io fivavahana io dia tena mahavariana
fa tokony hampitombo ny firaisan-kina
Kanefa indraindray dia lasa mampiady
Mainka mampitombo ny olana mianjady

Io fivavahana io dia mahatonga saina
fa natao indrindra hamelombelon’aina
Kanefa indraindray dia lasa famonoana 
ireo izay tsy mitovy  fihaviana sy finoana

Io fivavahana io dia heverina fa tsara 
Rakotra mpivavaka eto Madagasikara 
Kanefa dia indrisy, nahoana re indrisy 
no fahantrana foana toy izao no zava-misy? 

Rediredin-dRasamy

Laisser un commentaire