Ekena foana e

Ekena foana e

Izaho mba nanantena hoe hahita MIAMI
Mitovy tsisy valaka amin’ny any Etazonia  
Kinanjo revy hafa mihitsy kay izy ity  
Lasa « Miray hina Ary koa Mifankatia »

Eny atao ahoana fa izay no zava-misy
Toy izany koa izany izao ilay hoe Parisy  
Parisy gasigasy vita avy any Ambato  
Nefa tiako foana e, izaho handatsa-bato

Izaho moa efa bado, mbola manantena
Ny vary tsinjo izao mitobaka eny an-tsena  
Efa ho vita koa hono ireo lalàm-pirenena  
« Merci Prezida », ekenay foana ekena e

Rasamy

Laisser un commentaire