Ndeha re mba mivoaka
f’aza dia mijanona amin’ny toerana iray
Mba mijery zavatra any ankafa indray
Raha toa ka mikarama,
indrindra koa salama,
dia mba mandehana manao fizahana.
Tsy voatery ho mpanana
f’izay eo ampelatanana
ka azo tsinjaraina,
dia io no ampiasaina
Ndeha re miala kely amin’ny mahazatra
Mandeha lavidavitra arak’izay tratra
Tsy voatery foana hoe lasa any ampita
f’atao mahafaly izay tokony ho vita.
Aza mangatak’andro fa fohy ny fotoana
Ianao tsy voahozona hijanona eo foana.
Tsarovy fa ny aina manam-petra ihany
Ny vatana sy saina koa dia mila an’izany
fa tsy isan’andro izao
dia mitovy hatrany ny zavatra hitanao.
Ndeha re mba asio andro fitsaharana
ny asa sy fianarana
Mba mitsangatsangana eny rehetra eny
Mitetitety tany, mivoaka ombieny ombieny
Mahay mankafy ny karazan-javaboary
Tsy mionona fotsiny amy fijerena sary
Manko hafa mihitsy ilay mahita maso
Ndàna dieny izao tsy asiana andraso andraso
Mifoka rivotra madio, ivelan’ny tanàna
Fanafody tsara ho an’ny fahasalamana
Rasamy