Ny ankohonako

Ny ankohonako

Na mafy toy ny inona ny asa fivelomako 
Na sarotra tsy mora ny ady hitolomako
Dia ataoko izany fa tsy himenomenomako
Satria hahasoa an’ireto ankohonako 

Na maro sakantsakana ny lalana hizorako
Na inona hafaliana sy mety hasosorako
Tokana ihany ny tanjona hifotorako 
Dia ny hahasambatra an’ireto ankohonako

Rasamy

Laisser un commentaire