Mbola afaka

Mbola afaka

Mifarana ny taona
Arahabaina izany fa mbola eto foana 
Manaova falifaly e, 
fa n’inona ny sedra mety nampijaly,
n’inona koa olana mety nosedraina
dia mbola velon’aina. 
Mahaiza koa misaotra 
fa mbola misy taona hahafahanao mivoatra

Mbola afaka mihaona amy namana sy havana 
Mbola afaka mizara sy manome fitiavana 
Mbola afaka miasa mampitombo ny harena 
Mbola afaka mihira sy mampifaly tena
Tsy maintsy mbola hisy koa ny sento sy tomany 
fa mahaiza mankafy ny fiainana androany 

Tombony ho anao ilay mbola velona eto an-tany 
Tsisy itovizana amin’ny any am-pasana any 
Ireny moa tsy fidiny fa tsy maintsy nandao 
Tsy mba nahatratra izato taona vaovao 
Koa arahabaina re ary koa mirary soa
Dia araraoty ny andro mbola azo hanaovan-tsoa 

Rasamy

Laisser un commentaire