Iny lalana iny dia tsisy nanamboatra
Potika tanteraka, tena tafahoatra
Taona maromaro tsisy mba nikarakara
Izao mitera-doza ary koa manimba fiara
Iny lalana iny, satria ve tsy azo hanina
Dia nodiana tsy hita sy nodiana fanina
Hany ka mikatso ny seham-pihariana
Ireo mpivezivezy moa mizaka fijaliana
Iny lalana iny, tsy azo aleha intsony
Toa sanatria tsy hitan’ny olona ambony
Izy moa manidina tonga iray minitra
Ianao mandeha fiara no leo mipitrapitra
Iny lalana iny mampitondra fahoriana
Na ny vakansy aza lasa tsisy fifaliana
Kivy savolaina hatramin’ireo vahiny
Mampiteny moana mantsy iny lalana iny
Marary re ny fo e, reraka ny aina
Henoy ireo sofera migrevy mitaraina
Ô ry Pasitera ô, raha toa re ka tsy tsiny
Ataovy « toriteny » koa re iny lalana iny e!
Rasamy