Mifaly irery

Mifaly irery

Indraindray ry namako dia lazaiko anao
f’amin’izao andro iainantsika izao,
dia tsy ratsy mihitsy akory,
tokony hahafaly aza fa tsy manorisory
ilay mandehandeha na mipetraka irery.
Mitokatoka-monina somary manirery
Lavitry ny toerana misy olo-maro
Somary mihatakataka tsy te hifangaro 
Fa miaina am-pilaminana 
Anaty fahanginana 
Manao izay tiana atao tsy mila olon-kafa 
Tsy mitady olona mba hitafatafa 

Raha toa ary ianao ka mahita fifaliana 
fa tsy akory sanatria mahatsiaro fijaliana, 
rehefa ianao irery fa tsy mila namana,
dia tsarovy tsara fa efa izay ilay lalana, 
mitondra anao mankany amin’ny tena fahasambarana 
Mahatsiaro sambatra amin’izay mba nisasarana  
Tsy miankina amin’ny hafa fa ny tena samirery 
Tsy miraharaha ny fosa sy vavan’ny mpijery
Tsy mivaky loha amin’ny tenin’ny mpandalo
Tsy miady hevitra mitady fahavalo 
Tsy miandry fitia avy amin’ny sakaiza
Mahay mifaly irery na aiza koa na aiza.

Rasamy

Laisser un commentaire