Maniry ny handositra daholo ny ankizy
Mitsoaka any andafy noho ny krizy
Manko fahantrana no hita eto amin’ny taniny
K’any no heveriny fa mety misy maminy
Ireo izay efa lasa moa tsy te hody intsony
Na malahelo aza ny sainy sy ny fony
Tsy afaka manoatra noho ny zava-misy
Ratsy loatra mantsy ny fiainana eto indrisy
Maro ireo mipetraka tsy misy taratasy
Miafinafina eny ry tanora malagasy
Aleony « miklandy » an-tanin’olona any
Satria ny fireneny mahantra eran-tany
Matoa re ny gasy mitsoaka miolomay
Satria ireo mpitondra nifandimby hatrizay
dia fositra namotika izato tanindrazany
Any andafy sisa no tiany sy iantsapazany
Rasamy