Ny andron’ny vehivavy
ry izy mianakavy,
raha atao mahitsy,
dia tsy fety izany mihitsy.
Fa andro fahatsiarovana fitakian-jo
nataon’ny vehivavy efa tany aloha
Nitolona niady nanao fitakiana,
hisian’ny miralenta, na ny fitoviana
Ity andro ity izany dia enti-mampahatsiaro
Ny zon’ny vehivavy amy lafin-java-maro
Koa fanontaniana izao no mby an-doha
Efa tena feno ve ilay fitovian-jo?
Ka fety ve no ilaina?
Sa fanentanana mba samy ho tonga saina
Fa amin’ny sehatra rehetra,
ny vehivavy dia tsy tokony hitoetra
ho fanaka malemy
Fa olona mijoro sy mahay miteny
Vonona sy vanona ary tena sahy
Manan-jo mitovy amin’ny lehilahy
Mitolona sy miady mampiseho fahaizana
Tsy fotsiny fitaovana amy fanabeazana aizana
Vehivavy mendrika ho renim-pianakaviana
sady koa mivelatra amy seham-pihariana
Mandray anjara feno anaty fanjakana
Dia aoka izay ilay fety mameno ny tanàna
sy ilay valo martsa andro tsy fiasàna
Rasamy