Indrisy re rey olona
Izao izany sisa ny vokatr’ireo tolona
Tolona natao hahazoana fahefana
Nanitsakitsahana didy aman-dalàna
Nisy ny nandresy
Dia nisy koa ny resy
Ireo mpandresy moa nahazo fanjakana
Manjakazaka ery fa azy ny tanàna
Ireo resy kosa manohy toy ny hatrizay
Mitady fomba rehetra hiverenana indray
Misy dinaozaoro tsy miova mankaleo
Tompon’antoka eny amin’ny zavatra miseho
Miverimberina e… mitovy ny tantara
Mampikoroso fahana an’ny Madagasikara
Ny vahoaka moa mihamahantra ihany
Voalaza fa anisan’ireo lohany eran-tany
Am’ireo vahoaka tsy mahatsiaro sambatra
Manko fahoriana maro no mitambatra
Mainka moa dia loza fa mila hifamono
Noho ny politika mitera-dromoromo
Misy misara-bazana aza moa ny mpianakavy
Satria dia fanatika am’ireo tohanany avy
Mifanompanompa, mifanome anarana
Mifanala akanjo mihitsy aza eny an-dalana
Nefa ireo tohanany rehefa mahazo seza
Ny kibo sy ny volany aloha no mihangeza
F’izy etsy andaniny mainka koa sahirana
Mila tsy ho voavidy hatramin’ny taratasy hifirana
Rasamy