Tonokalon-dRado

Tonokalon-dRado

Isaky ny valabalaka, iny harivariva iny,
Eo akaikiko tsy lavitra iny bokiny iny
Tononkalo tsara rindra, mifono hevi-dalina
Vakiako  tsy miato rehefa injao mamantonalina

Maro ireo mpihantsa, mpiventy toa azy 
Misy tena kanto, ao ny vazivazy
Fa hafa ihany hoy aho, fatratra mambabo
Tiako tena tiako ny tonokalon-dRado

Rasamy

Laisser un commentaire