Lany olomanga ary ve ny fireneko
Mankarary fo ny zavatra mba reko
Momba ireto olona nomena fahefana
Mampivarahontsana ny resa-pitsarana
Izy samy izy ihany no miady an-trano
Tantara tena misy, tsy abobo na angano
Anaty tambazotra, mivoaka an-gazety
Miharihary ao ireo zavatra tsy mety
Voatonontonona aby ireo olona ambony
Tsiambaratelo maro tsy voatana intsony
Na halatra, na hosoka, indrindra kolikoly
Mitohy ny tantara, zary lasa fialamboly
Variana aho mitazana an’ireto mpilalao
Rahoviana vao hifarana izao tantara izao
Moa lany tanteraka tokoa ve ny olomanga
Fa tena mahakivy ny zavatra mitranga
Ao ireo tsy nahay efa hita hatry ny ela
Mahazo seza ihany sady mbola lava lela
Atao mpanolotsaina, alefa ho masoivoho
Hany ka mandositra ireo tena ati-doha
Rasamy