Mahasosotr’ahy

Mahasosotr’ahy

Manao ahoana i Dadabe!
Manao ahoana ise! 

Etsy kely ange
Kivy aho mijery vaovaon’ny tele
Isan’andro izao tsy misy vaovao tsara
Ratsy avokoa no hita eto Madagasikara
Aiza ve leity ka hatramin’ny kompania
Ilay nantsoina hoe voron-tsara dia
Rava sady fongana, toa tsy misy intsony
Dia toy izany koa irony lalam-be irony
Na an-tanàn-dehibe, na lalam-pirenena
Simba be daholo mampanongo tena
Hitako teo koa izao
Hoe inona hoy ianao ?
Momba ny lavanila
Ariana fotsiny hono fa tsy misy mpila

F’inona mihitsy no ataon-drizareo e?
Ny olona rehetra jereo fa mitoreo
Toy ny hoe voaozona sa ve hoe voasazy
Isan’andro vaky dia delesitazy
Maika mitotongana izao ny Jirama
Manirikiry koa ry zareo Telma
Ny fako misavovona tsy misy mba mandroaka
Efa mandohalika mihitsy ilay vahoaka
Ny vakoka etsy andaniny toa misy nanova
Misy « kolize » hatrany anaty Rova
Mampanontany tena hoe zareo ve malagasy? 
Sa ve efa niova ho vazaha taratasy ? 

Mifona Dadabe ô, aoka re izay e!
Sanatria ka miakatra tosi-drà indray  

Maharomotra e, zary mahasorena 
Ho entina mankaiza ary izato firenena
Matimaty foana ireo zoky namanay 
Ny zava-misy eto tena mahasosotr’ahy  

Rasamy


Laisser un commentaire