Betsaka ny olona manam-pikasàna
Maniry hanao zavatra any an-dohany any
Kanefa indrisy feno fisalasalàna
Tsy ampy fahasahiana, manofy fotsiny ihany
Maro no te hanana vola aman-karena
Mipololotra fatratra ery ny faniriana
Indrisy fa tsy ampy ilay fahatokisan-tena
Miaina lalandava anaty fanahiana
Manahy fa tsy hahomby ny zavatra atao
Matahotra ihany koa fa ndrao afa-baraka
Hany ka tsy miova f’isan’andro izao
« Sao dia » sy « tahak’izay » no mahazo laka
Tsarovy n’iza n’iza nahita fahombiazana
Tamin’izay nataony sy sehatra nodiaviny
Dia satria ny sainy natanjaka sy mazana
Tsy be fanahiana miatrika ny hoaviny
Rasamy