Tsy iriko

Tsy iriko

Tsy iriko
Ary tsy tiako  
Eny tsy ekeko 
Raha ny fireneko 
No entin’ny vahiny 
Aoka re tsy ho tsiny 
Fa laviko iny olona iny. 
Raha toa koa re izy nahavita 
Ka nanao izay mba nahatafita 
Ny vahoaka nitolona sy niady ho azy
Dia angamba koa izaho mba faly sy korazy
Saingy dia mampalahelo mihitsy anie indrisy 
Fampahantrana ny vahoaka izao aloha no misy 

Rasamy

Laisser un commentaire