Vazaha taratasy

Vazaha taratasy

Betsaka tokoa isika malagasy
no malahelohelo sy mangasihasy,
rehefa mba mahita ny any ampita any,
lasa ambiroa tsisy toy izany. 
Manontany tena hoe fa dia nahoana loatra
ny firenen’ny hafa no tsara sy mivoatra?
Ny an’ny tena kosa tsy misy fandrosoana 
Milona anaty aizina sy ny habadoana 
Indrisy, tsy mitsahatra mikoroso fahana
Vahiny sy olom-bitsy no mahazo vahana

F’inona mihitsy ary no mahazo antsika
Matroka eny foana tsy mety mibaliaka
ny masoandrom-piainan’ireto maro an’isa
Toy ny hoe manaiky faharesena sisa
Ny ankamaroany moa te handositra hitsoaka 
Mitady fomba rehetra hahafahana mivoaka 
Be no te hangataka hiova tsotra izao
Ny zom-pireneny aza tiany ho vaovao
Tsy te hijanona ho malagasy intsony 
Na olon-tsotra izany na olona ambony

Izay no heveriny hahasoa ny hoavin-janany
Misy moa amidiny  hatramin’ny fananany 
Rahoviana ihany vao hiova ny tantara 
Ka mba ho tany sambatra i Madagasikara
Raha izaho na ianao, samy tsisy tonga saina 
dia iza ihany sisa no mbola azo antenaina
Very ny hambom-po tena mahamalagasy 
F’isika mianakavy te ho vazaha taratasy 

Rasamy

Laisser un commentaire