Gisitra

Gisitra

Ny tanora malagasy rehefa any ampita
Toa tena hikoizana sady mahavita
Mahagaga mihitsy fa kinga sy mahay
Tsy vao izao akory fa efa hatrizay

Koa nahoana kosa eto Madagasikara
Takona tanteraka ny olona mba tsara
Fa ory hava-manana, feno fialonana 
Nefa isan-kalahady mameno fiangonana 

F’inona mihitsy ary no mahazo antsika
Ny fiainana eto angamba no mety mampivika 
Mihatsaravelatsihy aby na ambony na ambany  
Matoa ilay firenena gisitra eran-tany

Rasamy

Laisser un commentaire