Zendana aho rey olona
fa misy ireo mpitolona
tsy laitra notenenina
fa nikiribiby sady be marenina
tsy nety mba nanarina ery tamin’izany
nidrikina mihitsy fa hoe iny ihany
no olona hanavotra an’i Madagasikara.
Indrisy ankehitriny fa niova ny tantara
Toa tsy fanatika intsony?
Lotika tanteraka ny sainy sy ny fony
Aiza ve leiretsy k’isan’andro injao
Vavabe manenjika indray no henonao
Foana ilay fitiavana lehibe fahiny
Nivadika ho tsikera sy fanomezan-tsiny
Manenina tanteraka mihitsy amin’izao
Zary toa nataon’ny hafa kilalao
Ara-bakiteny ilay tohatra fiakarana
Izao ve no vokatr’irony filaharana?
Ilay olona nitarika tena nitolomany
Mainka nampihemotra an’izato fivelomany
Roboka ery tena nafana fo
Milahatra mitolona hatreny Iavoloha
Misy aza maty nahafoy ny ainy
Ny mpanao politika nahazo izay nilainy
Ny sasany nangalatra dia lasana nitsoaka
Fa tsisy fiovana ny fiainan’ny vahoaka
Mainka koa nilentika nidina ambany
Dia mbola misy nefa tsy tonga saina hatrany
Rasamy