Zaro

Zaro

Zaro re ny vava hiteny zava-tsara
Teny mahasoa mitondra fitahiana
F’aza ny ratsy foana no ambarambara
Mainka mampitranga ny zavatra ahiana  

Aok’izay ny hoe « izahay moa mba ho aiza »
Ajanony koa ilay « izahay moa mavomavo »
Zaro re ny hafa handre hatraiza hatraiza
F’ianao mbola ho tafita fa tsy sanatria ho lavo

Zaro re ny loha hahay hisaina ambony
Tsy ho toy ny olona resy tsy miady
Ny fo amam-panahy zaro koa ho tony
Manoloana ny olana marobe mianjady 

Rasamy

Laisser un commentaire