Lisany rehefa mandeha
dia mihevi-tena fa hoe
matanjaka sady lehibe
Misetrasetra mare
Mibahana be eny an-dalana
Misongona anaty fiakarana
Mifanenjika toa olona adala
Ny hafa no mikisaka miala
raha tsy izany dia maty voadona
Lisany avy eo tsy mifona
fa mandositra lasa mitsoaka
avy eo dia vonoin’ny vahoaka
Fa mbola lisany ihany
ilay tsy menatra mamanimany
eny an-dalana eny
angamba tsy misy mpiteny
Tsy lazaina intsony ny loto
sy ilay fofona jiolahim-boto
Maimbo helika sy mainty akanjo
Feno tsikoko ny ranjo
Be lisany no olo-tsy marina
na famerim-bola angalarina
Tapa-dalana moa dia fanao
Manary mpandeha tsotra izao
Eny e, marina fa tsy lisany rehetra
no voretra sy ratsy toetra
Fa raha jerena ny ankamaroany
dia toy ny voalaza eo ambony
Maninona raha miova amin’izay e!
Miovà leisy fa mahasosotr’ahy a!
Rasamy