Iarivon-jaoridira

Iarivon-jaoridira

Indrisy…, Iarivo feno fako
izao no re manakoako,
anaty tambazotra any,
miparitaka eran-tany.
Asa rahoviana ihany
vao mba hisy fiovana
Simba mihitsy ilay tanàna
Nilaza izy fa hanadio rehefa lany soamantsara
Io Iarivontsika io ho ataony tsara karakara 
Raha toa ka sanatria, irony fako tsy voaroaka
dia aterina any an-trano f’izy hono tsy mitsoaka

Kinanjo …, hatreto aloha ny zava-bita
dia fako no hiaraha-mahita,
mameno ny isam-pokontany,
hatrany an’elankelantrano any.
Mainka loza tato ato
fa toa fanariam-pako
hatramin’ny arabe mba tsara
Mandefindefitra ny fiara
Iza sisa no antenaina
f’efa mihatra aman’aina
ny zava-misy ankehitriny
Mahamenatra vahiny

ô Iarivo maminay ilay fanao tononkira
Indro niova re indrisy lasa Iarivon-jaoridira

Rasamy

Laisser un commentaire