Aza miteniteny

Aza miteniteny

Raha tianao ho tratra ny tanjona kendrena 
dia tsara ihany aloha ny manetrinetritena
Tsy milazalaza izay zavatra hatao 
Miasa mangingina fotsiny amin’izao
Rehefa hita fa mijoro izay nokasaina
vao tsara ambarambara sy azo tantaraina 
Ho gaga ny maro tsy mba nanam-po
Tsy mahalala akory izay nitranga nialoha 
Ho valalanina eny  ireo ratsy saina
Hangasihasy kely ho maina sy mangaina
Ianao kosa ho faly sady tena afa-po
Nahazo tombony tsara anankiroa
Sady nahatratra ny tanjona nirina
no nanakom-bava ny tsy tia sy mpanakiana

Rasamy

Laisser un commentaire