Pasitera

Pasitera

Ianao vao mitsikera 
an-drizareo pasitera 
dia lazainy fa devoly
tafiditra an-tempoly.

Tsia tompoko ô, tsy voatery ho izany
fa samy olombelona misaina izao ihany 
Ilaina koa ny mihaino izay ambaran’ny mpivavaka 
Na mety ho diso aza dia izay no tokony hampiavaka
ny mpitondra fiangonana 
Tsy voatery ho resaka fialonana
raha miteny ny olona hoe nahoana mihitsy moa
i pasitera izay irak’i Jesoa
no tsy maintsy ividianana tany avokoa
sady hanamboarana trano ihany koa?
Kanefa pasitera koa aza anaty toriteny 
Tia mitsikera ny mpitondra fireneny

Tsisy lafatra e, tsisy fanaperana
Kanefa na izany aza mila fiheverana
Ny fihetsika rehetra sy zavatra atao
Rehefa nanaiky ho pasitera ianao
Fa tsy hoe kabary tsy valiana lalandava izao

Rasamy

Laisser un commentaire