Traikefa

Traikefa

Mijaly ireo tanora mba mitady asa
fa tsy raisin’ny mpampiasa. 
Manko hono ireny mbola tsy ampy traikefa
Hainy tsara anefa,
fa ny olona rehetra dia mandalo an’izany 
Angamba tsisy mihitsy teto ambony tany
olona ka ampy traikefa avy hatrany, 
fa mianatr’asa aloha
Miezaka mihatsara, miasa amin’ny fo
Mivoatra miandalana lasa mihamahay
Manao hadisoana dia mitsangana indray
Avy eo vao ampy traikefa amin’izay

Koa aoka re ry Pata a, ampio ny tanora
Satria tsy moramora 
ilay maka traikefa amin’ny asa vao atao
Mila fanampiana izy re avy aminao 
Raha toa ianao tafita ka manana asa omena
Aza ilay traikefa ihany no jerena
Fa ny fianarana nataony sy izy vonona hizatra
Amporisihana izy hiezaka arak’izay tratra
Eny atao ahoana raha toa izy ka milefa
Taona vitsy aty aoriana fa nahazo traikefa 
Tsisy hanenenana ny soa izay natao
Izany koa no anisan’ny traikefanao 

Rasamy

Laisser un commentaire