Hafahafa

Hafahafa

Hafahafa re ny fiainana 
Mahalasa ny fisainana 
Fa fony isika nohariana
Zazakely nahavariana
Olombelona vao teraka  
Niboridana tanteraka

Nony injay mihalehibe
Miasa mafy ery mandeha
Mikatsaka etsy sy eroa
Miketrika mivaky loha
Mba hanangona harena
Sy fahalalàna sesehena

Nefa avy eo ho faty indray
K’zay voahangona hatrizay
Tsy afaka entina akory
Mandrakizay ianao matory
Mody ho vovoka sy tany
Koa mahaiza miaina ihany 

Rasamy

Laisser un commentaire