Beantitra

Beantitra

Rahatoa ka beantitra ny ray na reninao
Nahazoazo taona ka reraka izy izao
Lasa mareforefo sy mararirary aza
Sady mihamiverina manao fisainan-jaza

Atao ahoana moa f’izay ilay eto an-tany 
Tsy misy olombelona ho tanora foana izany
Na ianao koa aza ho antitra toa azy
Koa tiavo foana izy f’aza raisina ho sazy

Ny tranon’ny beantitra, eny mety ho tsara
Fa olo tsy hainy kosa ve no mikarakara 
Raha tsy mahavita ianao zanaka naterany
Mampalahelo indrindra ny androm-pahaterany

Tsarovy fony kely ianao dia notezainy
Zanany notiaviny, nokarakarainy
Anjaranao indray izao no mikolokolo
Satria beantitra izy, efa fotsy volo

Rasamy

Laisser un commentaire