Tohizo

Tohizo

Na ahoana na ahoana 
Tsarovy misy foana 
ny olona tsy tia,
tsy mba hankafy
ny zava-bitanao.
Tsy tiany tsotra izao
Ny antony tsy hay
fa izy efa izay.
Aza mivaky loha
na mararirary fo
fa ny lalanao no zory
Aza raharahiana akory.

Tsarovy etsy andaniny 
Misy ihany koa ny mahita maminy
Mahazo fifaliana
Mety tsy miteny fa mankafy mangina
ny tsara ataonao
Na aza tsy avoakany ny ao ampony ao
Koa aza miasa saina fa ny fiainanao tohizo
Izay mahasoa hatrany no ataovy sy vohizo
Raiso ny tsikera rahatoa ka azo alaina
Izay tsy nety moa afaka hatsaraina
Aza misitrisitrika, mitsoaka na mihery
noho ny fatahorana ny vavan’ny mpijery

Rasamy

Laisser un commentaire