Ny hevitra rey olona mety tsy mitovy
Nefa dia tsarovy fa na zovy ianao na zovy
no tsy mitovy hevitra amiko,
dia ny hevitrao fotsiny anie no tsy laniko
Ny tenanao kosa tsy ataoko ho fahavalo
Sanatria izany, isika tsy dahalo
ka handeha hifamono na koa hifandratra
Samy manohana ny heviny arak’izay tratra
Nefa mifanaja sy mahay mifankatia
Tsy izany no atao hoe mihatsaravelatsihy
Ny mihatsaravelatsihy dia ny mandokandoka imaso,
nefa any ambadika toa manao ankaso
Tsy mba sahy miteny izay tena ao an-tsaina,
fa mety vonona handatsaka ny aina
Milaza ho tena tia, teny avy eo imolotra,
fa nony tsy mahazo karazan-tolotolotra,
dia mivadika tanteraka manao an-dolom-po
Ara-bakiteny, mihatsaravelatsihy tokoa
Rasamy