Afaka ialahy
Izaho tsy mba nanahy
fa nino avy hatrany
hoe izany « Baka » izany
ho azon’ialahy mora foana
Mandeha leisy ny fotoana
Bakalorea sahady
ilay zaza nandady
nanahirana ahy sy neny
Nitombo vetivety teny
Faly aho leisy faly a
fa indro izao nivaly
ny ezaka natao
Nahazoana vokatra « Tsara » toy izao
Rasamy