Mikaikaika ny vahoaka
Indreo fa misafoaka
noho ny tsy fisian’ny rano.
Mimenomenona ny isan-tokantrano
Mahatsiaro vizana sy miferinaina
satria isan’andro, na hariva na maraina
dia zara fa mandeha,
tsisy rano mitete
amin’ny robinet.
Be ny miandry rano fa tsy afaka matory
Mainka mihasosotra ny fony efa ory
Ny hany vahaolana hita hatraiza hatraiza
Na ho an’ny lehilahy na viavy vao mitaiza
Na olona efa antitra na olona tanora
Indreny fa milahatra mizotra moramora
Mitondra « bidon jaune » ho eny am-patsakana
Feno « bidon jaune » eran’ny tanàna
Tena higagana
Hatramin’ny fiara raitra dia iny fa mizaka
Tsy menatra intsony fa milahatra matsaka
Tsy nisy toy izao hatramin’ny fahaleovan-tena
Rano iray « bidon » izao no bizina eny an-tsena
Ny firenen’ny hafa mandroso tsy mitsahatra
Ny antsika ny vahoaka vizana mandahatra
an’ireto « bidon jaune » tsisy fiafarany
Mahalasa saina re, mba rahoviana ihany,
izany hoe mandroso Madagasikara izany?
Satria raha ny zavatra iainanana androany
Na ny rano sy ny jiro aza izao mampitomany.
Rasamy