Leo

Leo

Kivy ny vahoaka 
Be no te hitsoaka
Handositra any ampita
Satria hono tsy hita
intsony izay mba tsara
eto Madagasikara
Na ny jiro sy ny rano aza tsisy eto an-tanàna
Toy ny very hevitra hatramin’ny fanjakana
Aiza ho izao irony fampanantenana
Tsy tò ireo velirano
Maina sady  maizina isan-tokantrano 
Vizana ny olona
Maro no mitsangana amin’ny alina mitolona
Manakatsakan-dalana sy mandoro afo 
satria ilay Jiramaty koa mbola vidiana lafo 
Leo tena leo tofoka tanteraka
Ny maro an’isa izao no vizana sy reraka
Tsy lazaina intsony ny mahazo ny orinasa
Maro no mikatona tsy afaka miasa
Tsy mety ny « soudure »
Tsy misy « coiffure »
Tara ny zaitran’ny mpanao « couture »
Mihidy ny « cyber »
Matimaty hatramin’ny « ordinateur »
Inona ihany sisa no zavatra azo atao
fa raha mitohy izao
dia ho faty eto daholo
ny vahoaka manontolo

Rasamy

Laisser un commentaire