Ripak’ireo olona namonjimonjy fety,
F’inona loatra Ilay zavatra tsy nety
nohanin’izy ireo?
Fianakaviana maro no indreo mitoreo,
namoy ireto zanany
Misy aza fongana teo ny taranany
Mampalahelo loatra ny zavatra mitranga
Nefa toa afenina fa tsy harangaranga
izay zava-misy marina?
Inona ilay poizina mba tianay ho fantarina
Moa ve tsisy intsony ny zavatra azo atao
fa dia matimaty fotsiny ao
ireto malagasy mitovy amin’ny tena
Mampitomany mahonena,
ny fomba fitsaboana eto amin’ny firenena
Ny mpitondra koa tsy mahay serasesera
fa toa mitaveravera
Hany ka manjaka ny tsaho sy honohono
Samy milaza izay tiany daholo
Misy ny migadra tsy misy fitsarana
Misavoritaka mihitsy ny iray tanàna
Ny tompon’andraikitra tsy mahay manazava
Misy mampitahotra « gagazo » lalandava
Ny aretina manaikitra tsy hahitam-panafody
Tena aza manody
ny manjo ireo fianakaviana,
iharan’ny fahoriana
Tsy hita intsony izay lazaina
mahita ireo tanora misesy miala aina,
any anaty hôpitaly
Ireo sisa velona koa mbola mijaly
Moa ve ho tafavoaka?
Lazao re ny marina ho fantatray vahoaka e
Rasamy