Tena ginagina ny vahoaka manontoloNa tambonivohitra na tambanivolo Misafosafo loha dia mila tsy hahatenyMahita ireto loza manjo ny fireneny Vao lasa ny haitany dia tonga indray ny loza Valala, tondra-drano ary koa ny rivodoza Ny fahoriam-bahoaka efa tsy lazaina intsony Variana miady an-trano nefa ny olona ambony Isan'andro izao eny anaty fesibokyTantara mahagaga toy ny mamaky bokyMiseho daholo ny henatra … Continuer à lire Afa-baraka
Auteur : rasamison
Olo-mendrika
Ny olona iray rehefa tsy alehanydia izao no fandehanyManilika andraikitra foana amin'ny hafaary tsy mba menatra na mihafahafamilaza sy miteny fa izy dia somparanaMatetika izy ireny tsy dia nandia fianaranaTsisy mba voafehiny izay zavatra lazainyTsy mahataka-davitra loatra moa ny sainyHany ka tsy vitany ny famahàna olanaka na mihodina ny taona, ny andro sy ny volanavitsy … Continuer à lire Olo-mendrika
Rivodoza
Io indray ilay rivodozafa mitera-dozaho an'ny firenenaTena mahonenafa simba izay jerenaPotika tanteraka ihany koa ny toe-karenaNy rivotra mifofo, ny oram-be mirarakaRavany ny trano, ny tafo moa manaraka Mitondra ny takatra ireo fotodrafitrasa Mihidy ny sekoly, mijanona ny asa Izay ilay rivodoza voajanahary Tsisy azo atao f'izay voany dia marary Fa misy ihany koa "rivodoza" anankiray Tena mampahantra ary koa mampikolayAtaony midaraboka izay te … Continuer à lire Rivodoza
Miiba tafahoatra
Raha ny zavatra fahita ety anaty fesibokydia isan'andro ianao mandrezatra fa vokyVoky resabe sy zavatra tsy tsaramanaratsy endrika an'i MadagasikaraTsy mba mahafinaritra fa zary mahasorenaka na ny seraseran'ny mpitondra firenena,na ny an'ny mpanohitra tsy tia fanjakana, dia mifampivazavaza tsy misy fanajana. Ny sary mahatsiravina dia hita ao daholo Mampihorin-koditra sy mampintsangam-bolo Na halatra na lainga na koa fifamonoana … Continuer à lire Miiba tafahoatra
Mahaiza mitraka
Rehefa nodimandry ny olona akaikylasana nandao nantsoin'i Ray Ambony dia mandà ny saina toa tsy te hanaiky nefa izay no lahatra, tsisy azo atao intsony Mafy sy mafaitra ny fisarahana an-tany nefa izay no anjarany, atao ahoana moaTsy maintsy malahelo, tsy maintsy mitomany fa kosa aoka hahay hampionona ny fo Ny fo raha malahelo diso tafahoatra dia misy fiantraikany amy … Continuer à lire Mahaiza mitraka
Tsiky sy tomany
Misy ny androm-pitsikianatoy ny tsingerin-taona, dia misy ny androm-pahoriana, malahelo sy misaona Misy ny androm-pifaliana sambatsambatra aok'izany, fa misy andro itomaniana noho ny hetraketraky ny tany Misy ny andro maharavo rehefa anaty fahombiazana, fa misy andro koa mba lavo, fahakiviana indray no tazana Misy fotoana tena mainatsy mety latsaka ny orana, fa ho avy ny andro hitaintaina ny rano be indray no atahorana Izay ilay … Continuer à lire Tsiky sy tomany
Afobe sa paradisa?
Hafahafa mihitsy raha i MadagasikaraBe toeram-paradisa malaza tena tsaraVitsy mbola vitsy anefa ny mpizaha tany Ny gasy koa indrisy tsisy vola amin'izany Voahodidin-dranomasina feno hazan-dranoFa tsy milaoka trondro ny isan-tokantrano Ny harena moa miavosa ao ambany tanyKanefa ny vahoaka mahantra foana ihany Ny trano fiangonana hipoka etsy sy eroaNy ankamaroan'ny gasy mpivavaka avokoaKanefa mahagaga fa mainka koa sahirana Ny fiainam-pirenena … Continuer à lire Afobe sa paradisa?
Delesitazy
Vao tonga ny marainadia efa reraka ny sainaSatria vao miditra biraodia inona hoy ianao? Tapaka ny jiro tsy misy azo ataoDia toy izany foana isan'andro izaoLeo tena leo amin'ny delesitazy(LBP mihitsy SNBV) Ny mpitondra mifanesy no tsy mahavita azy dia ny vahoaka no mijaly sy voasazy Aiza ve leiretsy ka tsisy fanavahana fa na toeram-piasana na … Continuer à lire Delesitazy
Gasikarako
Kanto loatra ianao ry tanikoTsy atakaloko na ovianaTena tiako sady mamikoSatria tany nihaviana Na tsara aza ny any ampitaMandroso sy manan-karenaEto aho no hiezaka ho tafita Ho sambatra an-tanin-tena Nitsangatsangana aho no tanyNianatra sy niasa koaKanefa vetivety ihanyNiverina nitodi-doha Eto mantsy no anjarako Teto no niandohakoTohizako eto ny tantarako Eto koa no hiafarako Rasamy
Tantara no hitsara
Na inona na inona zava-bitanaona maro koa na vitsy ny zavatra nataodia tsarovy foanafa na ahoana na ahoanadia tsy maintsy misy olona tsy faly amin'izanyIzay mihitsy mantsy ilay fiainana an-tanyMisy ny mpanohana dia misy mpanakianaMisy foana olona tsy mahita fifalianaToa satriny aza indrisyny vitanao tsy hisyNy zavatra iriny dia tsy hahomby akory iny tanjonao inyMankarary azy … Continuer à lire Tantara no hitsara









