Misy fetra lahy izany fahefana izanyNy vola aman-karena koa tsarovy mety lanyTsy hisy ny doria fa mandalo fotsiny ihany Izay ny lalàm-piainana raha mbola eto an-tany Koa ny fizahozahoana sy fireharehanaJadona sy herisetra, fanamparam-pahefanaMba asio fetrany ihany sao dia lasa hadalana Hanenenana any aoriana ka ho ratsy fiafarana Firifiry moa ireo nihevi-tena ho nanan-keryNanampatra ny heriny ka … Continuer à lire Misy fetra
Auteur : rasamison
Izay tia adala
Tia azy ianao matoa midobodoboka ny foIzay mombamomba azy toa tsara avokoaTsisy hitanao akory izay mety fahalemenyToa satrinao hatrany hiaraka aminy eny Tia azy ianao matoa na misy aza olon-kafaManantona anao mba hiaraka hitafaMiezaka mambabo ny fonao ihany koa Dia izy foana ihany no mibahana an-doha Tia azy ianao matoa mora lasalasa sainaTsy andrinao mihitsy ny … Continuer à lire Izay tia adala
Saina miabo
Na sarotra aza re ny fiainana Na misy koa fitaintainanaDia mila miabo ny fisainanaIalàna amin'ny fahalainana Satria na ho aiza ianao na ho aizaDia tsarovy ry sakaizaFa hisy foana ny tsy ampyNy saina miabo no manampy Raha sendra ny fahakivianaNoho ireo tsy fahampianaManàna saina miabo anioIzay misy aloha dia ifalio Mbola misy trano ipetrahana Mbola misy namana iresahana Ianao mbola tsy … Continuer à lire Saina miabo
Ny vady anie
Ny vady anie ry zandrytsy fampiasa herin-tsandryka vonoina sy ratrainafa henoina sy hajaina Ny vady anie ry zokyka olona mahatokysy azo ianteheranaary manam-pandeferana Ny vady anie ry namanatsy harena sy fananana na olona mandalo ka soloina sy atakalo Ny vady anie ry havanatolorana fitiavana sy voady avy ao anatyf'io no vady mandra-maty Rasamy
Antoko mpihira
Mampatsiaro ahy ny hiranay fahinyNy maheno ny hiran'ny tanora ankehitrinyTsy hira hafa akory fa hira fideranaAnisan’ny nameno ny fahatanoranaHirahiram-bavaka misy SolfaMandeha ny DO RE MI, miampy FA SO LAHiram-pivavahana tsara sady kantoAnaty feo maredona sy milantolanto Endrey izany hafaliana rehefa alahadyTsy mandany andro variana mibalady Fa mifoha maraina mamonjy fivavahana Mitohy ny hariva indray avy eo ny … Continuer à lire Antoko mpihira
Ramalagasy
Eny hoy aho ramalagasyIzato ianao mangasihasyManoloana ireto harenaTena maro sesehenaÔ indrisy mahonenaFa tsy misitraka akoryMainka aza ianao toa oryMiaina anaty fahantranaVizana sy mihanahana Isan'andro vaky izaoDia misy harena lovanaoMiondrana mankany ampitaSaingy any dia tsy hitaLasan'ny mpanararaotraF'ianao mangina tsy mitroatraSatria mangina volamenaDia tia manetrinetry tenaAmbakainy an-kafetsena Rahoviana ianao vao ho taitraFa na mangidy sy mafaitra No iainanao … Continuer à lire Ramalagasy
Poakaty
Tsy mahagaga intsony ny mpanao politikaMahay raha hikabary fa ts'hita 'zay mba vitaMampanantena foana no hany seraserany Izany no heveriny hifikirany amin'ny toerany Tetikasa maro no ambarany hataoTsy miova ny kabary fa isan'andro izaoDia maro ny asa goavana lazainy hovitainaFa firy re no vita tamin'ireo izay nokasaina? Nofinofy maro no lazainy hotanterahinaNy vahoaka heveriny ho … Continuer à lire Poakaty
Ho taom-pahombiazana
Faly ery ny fo fa niova indray ny taonaMiramiran’endrika fa mbola tafahaona Izao no teny soa sy teny firariana Hitobaka hatrany anie ny fitahiana Na ho anao izany na ny ankohonanao Ho taom-pahombiazana ny taona vaovao Raha nisy ny tsy nety tamin’ny taona lasaNa tamin’ny fianarana na ny arak’asaRaha nisy tsy tomombana tamin’izay natao Fombany ihany izany fa ny … Continuer à lire Ho taom-pahombiazana
Vavako mangina
Ny ahy ny Noely Dia tiako ho hafa kely Vavaka ao am-po Amin'Ilay Tsitoha Misaotra Azy manginaNoho ny fahasoavana sy ny fitahianaIzaho tsy voatery ho any am-piangonana Na hamonjy fety an-trano filanonanaFa toerana milamina sy mampitony sainaSady tsara rivotra makamaka ainaFeom-boronkely no henoko maraina Eto an-davarangana aho no misaotra Anao ry RayNoho ny fitahiana nomenao … Continuer à lire Vavako mangina
Ny fahazazanay
Taloha zahay rankizy rehefa milalaoTena hafa mihitsy tsy toy ny amin’izaoNiaraka daholo ny ankizy iray tanànaMafana dia mafana aok’izany ny korana Faly ny rehetra tsisy nihambahambaMiaraka manao ilay raosy jambaTao koa ny vitsilia sy fanaovana zoeraKilalao tsy adino ny polisy sy volera Ny baolina amin’izany teny an-tanimbary Tsisy ny finday mba hoe nakana sary Tsy … Continuer à lire Ny fahazazanay









