Auteur : rasamison

Velirano adaladalako

Velirano adaladalako

Hilatsaka ho fidiana aho ry vahoaka malagasy Ka velirano folo no ataoko an-taratasy Ny fitiavana manosika ny foko sy ny saiko Tsy maintsy tanterahiko foana izay lazaiko Inona hoy ianao ny velirano voalohany ? Ho rambony isika fa tsy natao ho lohany Arosoko indray ny velirano faharoa Ny akamako no tena hahazo tombontsoa Dia tohizantsika … Continuer à lire Velirano adaladalako

Ireny olona ireny

Ireny olona ireny

Taon-dasa tsy tsaroana tokoa re ny fahiny Fony izy nihirahira an'iny lalana iny Tsisy tsy nokianina sy nodradradradraina Izay zavatra tsy nety sy nampitaintaina Na jiro maty lava sy rano tsy mandeha Na ny toetran'ny mpitondra feno rehareha Na tamin'ny fesiboky na tamin'ny onjam-peo Kiana tsisy farany toa zary nankaleo Niova izao ny tantana dia … Continuer à lire Ireny olona ireny

Gasy tia milahatra

Gasy tia milahatra

Isika malagasy dia efa tena maritiora Aiza ve ka dia milahatra mandoa fakitiora N'aiza n'aiza dia milahatra fa tsisy afa-miala Na biraom-panjakana na banky hakana drala Vao tonga ny maraina hamonjy ny fianarana Ny bus aloha voalohany tsy maintsy ilaharana Mainka koa io loza rehefa himpody an-trano Avy eo mbola ilaharana ny fatsakana rano Efa … Continuer à lire Gasy tia milahatra

Tsy ampy lahy?

Tsy ampy lahy?

Misy vehivavy dia marikivy lava Tsisy andro iray mba miramiran-tava Kizitizitim-poana sy mora misafoaka Tsy mahatehotia fa zary mampitsoaka Romodromotra eny amin'ny antony tsy hay Na andro mangatsiaka na andro mahamay Vinibinitr'endrika toa tsy afa-tsorisory Toy ny vizan-dava tsy mba mahita tory Moa toetra noforonina va re sa natoraly ? Na aza manam-bola  fa tsy … Continuer à lire Tsy ampy lahy?

Mahaiza mionona

Mahaiza mionona

Maratra ery ny fo raha ilaozan'ny havan-tiana Lasa nodimandry any amin'ny varo-tsy mifody Na aza anefa izany aoka hanaiky am-pitoniana Manko izy lasa aloha f'ianao koa mbola hody Tsarovy fa tsy misy haharitra ho mandrakizay Fa fandalovana ihany ny fiainana eto an-tany Tsy maintsy mbola antsoina hody any amin-dRay Ary any tsy hisy intsony ny … Continuer à lire Mahaiza mionona

Mpisetrasetra

Mpisetrasetra

Sorena ery ny maro rehefa mba mandeha Na amy lalankely na eny an-dalambe Zary mihafihafy matahotra aok’izany F’injay feo mibetroka avy any aoriana any Feona môtô an’ireo mpisetrasetra Mihataka avokoa ny olona rehetra Tsy mahalala fomba fa toy ny olon-dia Mihevitra azy ho henjana sy mafy be ery Misisisisika eny fa tsisy fanajana Tena mafy … Continuer à lire Mpisetrasetra

Tsisy teraka ho resy

Tsisy teraka ho resy

Alefa Barea, alefa foana foana Tohananay hatrany na ahoana na ahoana Misandratra avo izao ny voninahim-pirenena Satria ny Barea dia nibata fandresena Na be ny nanatsatso sy nanambanimbany Barea tsy taitra fa nandresy foana ihany Tampina ny vavan’ireo zatra nanankiana Manko hafa mihitsy ny herin’ny firaisan-kina N'iza n'iza ekipa miseho azy ho mafy toto Dia … Continuer à lire Tsisy teraka ho resy

Fitiavan-tanindrazana

Fitiavan-tanindrazana

Ny fitiavan-tanindrazana dia ny fananana finiavana manohitra amin’ny heriny ny fanjakazakam-bahiny toy izay nataon’ireo razambe fahiny. Ka na toa aza izany mety haningotra ny aina dia miady hatramin’ny farany tsy arahina taraina. Manao ho zava-dehibe ny fiandrianam-pirenena Mba tena ho to tokoa ilay hoe fahaleovan-tena. Ny fitiavan-tandrazana dia ny fahaizana mifehy ihany koa ny Tenindrazana. … Continuer à lire Fitiavan-tanindrazana

Alefa Barea

Alefa Barea

Alefa alefa barea Mahasahia fa lehilahy e Atao ambony be ny saina Sanatria ny hiferinaina N’iza n’iza mpifanandrina Aoka ho kinga sy hitandrina Tsy matahotra hifandona Alefa miaraka mirona e Zahay hanohana hatrany Barea foana ihany Na favy aza i Nigeria Zahay maka Barea Na henjana aza i Burundi Zahay dia mbola hankafy I Guinée … Continuer à lire Alefa Barea

Misaotra Azy

Misaotra Azy

Misaotra an’Andriamanitra aho fa mbola velon’aina Mbola afaka miteny aho sady afaka misaina Ny masoko mahita ary ny sofiko mandre Ny tanako afa-miasa, ny tongotro mandeha Misaotra an’Andriamanitra aho nomeny anareo namako Misaotra Azy indrindra noho ny amin’ireto zanako Sy noho ny ray sy reniko ary vady andefimandriko Tsy adinoko ihany koa ireo zokiko sy … Continuer à lire Misaotra Azy