Auteur : rasamison

Sipako taloha

Sipako taloha

Hitako androany, tany an-tsena tany, ilay sipako taloha. Asa re izy iny na ilay fahafiry moa? Maro ihany mantsy ka tsy tsaroako intsony Loza mihitsy moa isika lehilahy itony Tadidy tsara kosa aloha anefa tamin’izany f’izy mpihantahanta sy mpitomanimany. Mody tsy mahatanty ny sangy izay fanaoko Tsy namelako moa, fa mainka koa nataoko. Toetrany ankiray mba nampiavaka … Continuer à lire Sipako taloha

Mpisandoka

Mpisandoka

Maro ireo mpanefoefo tsy misy toy izany Kinanjo hay mpisandoka amin’ny fivarotan-tany Na tanin’olon-tsotra io na tanim-panjakana Amidiny amboletra tsy manaraka lalàna Misy ny misandoka ho polisy sy zandary Kanefa jiolahy mpandroba tsy manjary Fa misy ihany koa ny zandary sy polisy Mivadika ho mpanafika, « misandoka ho milisy » Misy ny misandoka fa izy hono injeniera … Continuer à lire Mpisandoka

Malala-tanana

Malala-tanana

Ho avy indray ny fifidianana k’indreo malala-tanana tampotampoka eo. Mahay manambitamby sy mampiaka-peo ireto olona milaza hilatsaka hofidiana. Moa va tsy mahavariana? Toerana maloto tsy falehany hatrizay no indro ifanotofany tsidihina indray. Dia raisiny ny angady Na aza andro alahady Dioviny ny tatatra sy ny lalan-kely Izany ka filamatra sy olona modely Mihosona maloto ilay … Continuer à lire Malala-tanana

Ditra

Ditra

Raha ny ditra no amparina Enti-miaina eto an-tany Ndrao re lavo tsy ho tafarina K'antitra vao hitomany Raha ditra no ireharehana Mihevi-tena ho tsy azon’aloka Ndrao simba re ny hatanorana F’any amponja no hialokaloka Raha ny ditra no heverina Ho namana mba hahatafita Ndrao re ho vesara-nenina Holatsain'ny ratsy vita Samy mba naditra ihany Tamin’ny … Continuer à lire Ditra

Tsy maintsy tafita

Tsy maintsy tafita

Raha toa ianao re anaka mahatsiaro manirery Malahelohelo toa mila hiteny irery Satria olon-tokana any an-tany lavitra any Toa mangasihasy, mitady hitomany Na koa indraindray toa zary mangingina Lasalasa saina eo ambonin'ny fandriana Mahatsiaro ny havana sy manina ny tany Dia aza mitanondrika fa mitrakà hatrany Izao ihany anaka raketina an-tsaina Misaora an’Andriamanitra fa mbola … Continuer à lire Tsy maintsy tafita

Iarivo dibo-drano

Iarivo dibo-drano

Dibo-drano indray izato ianao r’Imerina Rava ilay tanànan’Andrianampoinimerina Satria ireo noheverina hanatsara sy hanamboatra, no mainka mampitroatra, ny zavatra nataony. Manko tsy nahoany, fa ny lemaka rehetra fivarinan-drano no tsy nananany antra, navadiny ho trano. Nototofany avokoa, fa tsy namakiany loha, ireo tany lemaka nampiavaka an’Iarivo. Manjakazaka tokana ireto mpanarivo Manampatra ny volany sy ny … Continuer à lire Iarivo dibo-drano

Sigara mamono

Sigara mamono

Ô ry namako mpifoka eto amin’ny tanàna a! Mba saino kely ange izato fahasalamana e Aiza ve rey olona ka afo tsy mba maty Setroka mamono no ampidirina any anaty Manimba havokavoka miteraka hasemporana Sigara lava izao no fohana sy dorana Angaha vitan’izany fa jereo anie ity vidiny Na aza mihalafo dia miharitra ny ngidiny Sigara … Continuer à lire Sigara mamono

Mpisolelaka

Mpisolelaka

Rehefa miova ny Andriana dia miova koa ny Sata Na tiana na tsy tiana dia miova ireo Tandapa Misy ireo miala ka mangasihasy kely Fa misy indray mibontsina tsy hita velively Na izany na tsy izany dia tsy maintsy misy foana Tena mahavariana f’asa loatra re nahoana ? Ireo olona mamadika indray ny palitaony F’izay … Continuer à lire Mpisolelaka

Ho tò anie ny veliranony

Ho tò anie ny veliranony

Raha toa aza tsy lany ilay nofinidinao Ny didim-pitsarana no arahintsika izao Aoka ianao tsy ho kivy, na koa harary fo Manko tokana ihany no tsy maintsy atao Filoha   Tsarovy fa ny fiainana dia tsy mifarana eo Ny resam-pifidianana no tapitra hatreo Aleo ny pejy hivadika, hiova ho hafa indray Ady amin'ny fahantrana no … Continuer à lire Ho tò anie ny veliranony

Nahavita adidy

Nahavita adidy

Faly aho androany fa afaka nifidy Nandeha nihazakazaka namita ny adidy satria mahatsiaro tena fa olom-pirenena. Tsy olona nigadra aho na noverezin-jo ary olona hary saina sy ampy taona koa. Ka nahoana moa no tsy hamita ny adidiko? Tsy omeko olon-kafa mihitsy ny safidiko Na ho lany na tsy ho lany izay olona fidiako Tokana … Continuer à lire Nahavita adidy