Hirotsaka filoha hono izy satria efa minisitra Misy koa hilatsaka satria hono artista Na ry pasitera aza efa ao anaty lisitra Mainka moa f’ireo efa nanao praiminisitra Hilatsaka ihany koa ny lehilahy avy any andafy Dia misy lahiantitra efa manan-jafiafy Dia misy koa vehivavy iray nitaingina sarety Ary ilay mpitsara vao nalaza vetivety Filoha amperinasa … Continuer à lire Te ho Filoha daholo
Auteur : rasamison
Mora manadino
F’angaha tsy vao omaly ny vahoaka no nijaly? Nanehoany ny heriny sy ny hadalany Nataony sorona aza ka latsaka ny rany Nanaovany amboletra ka nalainy an-terisetra ho lasa teny an-tanany toy ny hoe fananany mantsy ilay Fitondrana. Tsy nisy fifidianana na koa hoe teny ierana fa olona fangoloka mpanongam-panjakana. Kinanjo nony azony tokoa ilay fahefana … Continuer à lire Mora manadino
Gilita be
Tamin'ny alahady teo no natao ny fampisehoana Gilita be izay niarahan'ny mpanakanto marobe tao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy Fanatanjahan-tena tao Mahamasina. Tamin'ny 3 ora no nanomboka ny lanonana ka nanao rodobe sy nifandimby niakan-tsehatra izy 18 mianadahy ary naharitra adiny dimy be izao izany. Araka ny anarana nomena ny fampisehoana moa dia ny gitara no … Continuer à lire Gilita be
He sambatra
He sambatra ny olona izay mahay mionona amin’ny eo ampelatanany ka n’inona harena sy mety ho fananany na betsaka na kely, dia tsy izany velively no ataony famaharana ho antom-pahasambarana He sambatra ny olona izay misaotra Ilay Mpamorona amin’ny zavatra rehetra ka n’inona ataony sy mety ho tarigetra tiany ho tratrarina dia manana finoana izy … Continuer à lire He sambatra
Meteza ho mpandresy
Na mafy sy mafaitra ka mila tsy ho laitra ny hetraketraky ny tany dia fombany ihany izany ka aza mitanondrika na koa hoe mitomany, fa n'inona mianjady dia misy koa ny fetra, koa manàna faharetana amin’ny zavatra rehetra. Tsy misy ny nateraka hijaly sy ho reraka ary higoka ny mangidy mandrapahafatiny fa ny hery ao … Continuer à lire Meteza ho mpandresy
Afaka
Endrey izany hafaliako He to ny faniriako f'ilay zanako izay tiako sady efa nandaniako ny herim-poko hatrizay dia hendry sy nahay. Ka azony ny diplaomany Sahaza izato taonany Mbola ho lavitra ny lalany Mbola hitohy ny fianarany ka hiandrandra hatrany hatrany fahafahana toy izany. Nefa izaho dia tsy hanahy satria Ianao koa mbola hitahy. Koa … Continuer à lire Afaka
Ô ry Madagasikarako
Na tapitra handao sy hanadino anao aza izao tontolo izao ô ry Madagasikarako. Dia izao ihany no ambarako Ianao no efa anjarako Sady tany niandohako no mbola toeran-kiafarako ka sanatria raha hoe hialako. Koa aoka ianao tsy hanahy fa ny fo sy saiko amam-panahy s’izay rehetra momba ahy dia hanompo anao eto foana. Ka na … Continuer à lire Ô ry Madagasikarako
Izany Dada izany
Izany Dada izany dia tsoriko amin’ise Tsy manao fisainan-jaza f’efa olon-dehibe Mahalala ny ataony sady feno fahamatorana Mahaleo-tena fa tsy miandry hotolorana Mahay mandanjalanja ny zavatra ataony Mamaha hatrany ny olana miseho eo anoloany Koa n’inona mitranga, n'inona n'inona manjo Ny ankohonany aminy no sarobidy aloha Izany Dada izany dia lazaiko an’ise Na vitsy koa … Continuer à lire Izany Dada izany
Voafatotra
Indraindray dia mahagaga Tena mampitolagaga ny mahita olona tsy matotra fa mora voafatotra. Lasa miankin-doha amin’ny zava-tsisy fotony Vao mainka aza sarotiny raha sendra ka tenenina hoe ialao io fa tsy tsara Ianao mananatra azy indray no ataony fa adala Misy ny voafatotry ny sigara sy rongony dia tsy tafavoaka intsony. Malemy dia malemy ary … Continuer à lire Voafatotra
Mitaky fiovàna
Nahoana re nahoana no toa mitovy foana ny fizotry ny tantara eto Madagasikara. Satria, .... vao manomboka mitràka sy mihamahazo faka izato fiainam-pirenena, dia indro indray krizy manimba toe-karena. Misy ireo milahatra mankeny an-dalambe Miziriziry mafy tsy mety mba voafehy Mitokona isan'andro, mitaky fiovàna Miandrandra fanavaozana, mitady fihatsaràna. Dia roboka ny maro. Mikiaka ny iray … Continuer à lire Mitaky fiovàna








